Sombim-piainako

Harena miafin'i Afrika

dadasy | 28 Aogositra, 2007 11:50

dadasy
Elaela tsy afaka niditra teto noho ny antony maro samihafa. Tafaverina indray anefa zao ka dia mitondra voadalana kely. Amn'ity lahatsoratra ity aho dia hitantara fohifohy ny zavatra hitako tany Ethiopia nandritra ny fialan-tsasatra teo.
Raha vao miresaka hoe Ethiopia ny olona dia sary mampalahelo avy hatrany no hita ao an-tsaina, sarin'olona mahia sy matin'ny hanoanana, olona miaina anatin'ny fahantrana tanteraka. mba nanana io fomba fijery sy fisaina io koa aho taloha fa niova tanteraka izany nony niaina nandritra ny 2 volana tany Ethiopia.
Eo amin'ny lafiny ara-tantara: Manana ny maha izy azy tokoa ity firenena ity raha ny tantara no jerena. Isan'ny firenena anisan'ny trananiny indrindra eto Afrika izy, ary noho izany dia manana anjara toeran lehibe eo amin'ny tantaran' i Afrika. Raha kristiana ianao, na manaraka ny fivavahana jody ohatra, dia hahita fa efa voasoratra ao amin'ny Baiboly, Testamenta Taloha ity firenena ity, izany hoe efa niara nisy tamin'ny firenena Ejiptiana izay namoritra ny vahoaka jody, taonjato marobe talohan'izao andro iainantsika izao. Ara-tantara dia izy no isan'ny firenena nanana miaramila, na andian-tafika natanjaka indrindra sy voarindra fahiny. Isan'ny voalaza ao amin'ny Baiboly koa ohatra ny Mpanjakavavy avy any Saba na ny mpanjakavavy Saba, arakaraka ny dikan-teny. Io mpanjakavavy io dia mpanjakavavin'i Ethiopia izay niainga avy tany mba hihaino ny fahendren'i Mpanjaka Salomona. Mbola hita ao Ethipia koa ankehitriny ny toerana nandalovan'ny fiaran'ny fanekena sy nitoerany fony izany fiaranny faneken'ny zanak'israely izany nandalo tany, araka ny fitantaran-dry zareo io.
Eo amin’ny lafiny fizahan-tany: manana zavatra tsara sy tokana aman-tany koa I Ethiopia raha fizahan-tany no jerena. Any ihany eto ambonin’ny tny no ahitana izany hoe trano fiangonana vita amin’ny Vato tokana izany. Any amintska ny Madagasikara, dia maro ireo fiangonana vita amininy vato. Fa ny tena mampiavaka ity fiangonana iray any Ethiopia, amin’ny toerana antsoina hoe Lalibela ity, dia vato tokana goavana dia goavana no norafetina sy nolavahina dia lasa trano. EFa-joro izy io ary angamba raha tsy diso ny fampitahako amin’ny habeny, dia mitovitovy amin’ny haben’ny Rovan’I Manjakamiadana izy. Tsy io ihany no tena mampalaza azy fa ao koa ny toerana hafa toa an’I Axum, Sodare, Nazreth, Debre Zeit … sy ny maro ty voatanisa izay tena mampiavaka sy manintona tokoa any Ethiopia.
Lafiny tanàna sy fanatsarana ny tanàna: araka ny efa fantatsika dia any Addis Ababa (adika hoe “new flower”) ny birao foiben’ny Fiombonambe Afrikana. Azo lazaina ho mendrika izany ny tanàna na miezaka ho mendrika izany. Manana tranobe maro izy, ary maro lalana migodana. Raha mampitaha tsotsotra aho amin’izay firenena afrikana rehetra hitako dia isan’ny mandroso tokoa I Ethiopia amin’ny fahatsaran’ny lalana. I South Africa no mitovitovy aminy: malalaka lalana sady tsara. Nahita an’I Zimbabwe, Kenya sy Tanzania aho, fa I South Africa ihany no tena hitako fa manana lalana mitovitovy amin’I Ethiopia. Marihina anefa fa I South Africa dia vao haingana dia haingana (manodidina ny 1990) vao nialan’ny vahiny mpanjanatany ny taniny, izay midika hoe maro ny zavatra navelan’ireo vahiny ireo tany amin-dry zareo. I Ethiopia anefa no isan’ny firenena lehibe iray aty Afrika tsy voazanaka ( colonised) na dia nisy aza ny andrana nataon’ny Italiana hanao izany. Nisy ny ady nandritra ny dimy taona, ary dia resy tosika ny Italiana ka tsy nahazanaka ity firenena ity.
Lafiny fomba fanoratra sy fiteny: manana ny sorany manokana I Ethiopia, ary manana ny fiteniny manokana koa. Amharic ny fitenin-dry zareo ary izany koa ny sorany. Mitovitovy amin’ny endri-tsoratra arabo ity soratra Amharic ity, saingy fotsiny manoratra avy any ankavia miankavanana toa antsika izy. Ny teny Amharic koa dia karazan-teny iombonan’ny Ethiopiana rehetra, na dia misy ihany azan y tsy mahay azy, indrindra ny avy any amin’ny toerana lavitry ny tanan-dehibe. Saingy noho ny fananany io teny io kosa dia tsy miteny fiteny vahiny loatra izy ireo. Na izany aza anefa dia misy ihany ireo miteny anglisy ary izany no nahafahako nifandray tamin’izy ireo.
Lafiny ara-pinoana: olona tena manam-pinoana ny Ethiopiana, amin’ny ankapobeny. Tsy mahagaga mihitsy ny mahita olona mivavaka eny an-dalam-be raha vao mahita fiangonana izy ireo. Ny finoana Orthodox no tena manjaka any, ary maro dia maro ny fiangonana orthodox raha eo Addis Ababa fotsiny no lazaina. Lasa mahazatra anao ny mahita olona mandohalika, na miankohoka, sy manao famantaran’ny hazofijaliana toy ny Katolika Romana eny an-dalam-be. Ho an-dry zareo dia raha vao mahita fiangonana izy, dia manao izay fihetsika izay. Maro koa anefa ny finoana silamo any, manaraka azy ny finoana protestanta izay ivondronan’ny fiangonana tsy miankina marobe ary isan’ny fiangonana bitika indrindra ny finoana Katolika Romana. Araka ny antontanisa dia latsaky ny 1 million ny mpino Katolika Romana amin’ny mponina efa ho 80 million.
Fanisan-taona: araka ny maha firenena tranainy an’I Ethiopia, dia manana ny fanisana androny manokana koa izy ireo, tsy mba nandray ny fanisan’andro kristiana na Eoropeana. Ity taona 2007 amintsika ity dia taona 1999 ho an-dry zareo, ary amin’ny 11 septembra izao izy ireo no mankalaza ny faha roa arivo taona (millennium) hany ka maro dia maro ireo Ethiopiana mamonjy fodiana amin’izao fotoana izao hamonjy ny fankalazana izany millennium izany.
Lafiny ara-ekonomika: toy ny firenena afrika rehetra, afatsy I South Africa angamba, dia isan’ny firenena mahantra I Ethiopia. Eto no mipetraka ilay fomba fieritraritry ny maro raha vao miresaka an’ I Ethiopia. Maro oloan mahantra any, maro mpangataka, nefa maro olona amin’ny lafim-piainana antonony koa (middle class) ary tsy vitsy ny mpanana. Rah any mikasika ny “kere” tany amin-dry zareo dia nisy tokoa, ary mbola re ankehitriny ny vokany, indrindra any amin’ny faritra manodidina ny renivohitra, nefa kosa efa anisan’ny tantara ho an’ny firenena izany ankehitriny. Hita any amin’ny ireo museum isan-karazany ny adim-piainana nandalovan-dry zareo nandritra iny kere iny. Zavatra iray mba nanaitra koa dia ny sandam-bolan-dry zareo. Raha eto Afrika dia izy no faharoa amin’ny haavon’ny sandambola manaraka an’I South Africa. Ny US$ 1 dia misanda Birr 8 (Birr no anaram-bolan-dry zareo) raha any South Africa dia misanda manodidina Rand 6.5. Ankoatra izay eto Afrika dia avo dia avo ny sandan’ny Dolara. Ny any amintsika angamba izao dia Ar 1800.
Ny mponina amin’ny ankapobeny: manaitra ihany koa ny endriky ny mponina any Ethiopia amin’ny ankapobeny raha ampitahaina amin’ny afrikana rehetra noho ny fisian’ny fototra Arabo amin’ny ran-dry zareo angamba. Manifinify izy ireo, zarazara hoditra, ary manana volo lava. Lavitra azy ny haben’ny Kenyans na ny South Africans n any Nigerians izay malaza amin’ny halebiazana, indrindra ny vehivavy. Mitovitovy amin’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Hany ka sarotra ho azy ireo ny mamantatra na Malagasy ianao na Ethiopiana raha tsy miteny. Ho ahy manokana dia noheverin-dry zareo ho Ethiopiana mihitsy aho, hany ka maro izy ireo no tonga dia miresaka amin’ny teny Amharic tamiko. Ohatra iray tena misongadina amin’ny fisian’ny fitoviana ny fandehananay tany amin’ny museums. Toy ny amin’ny firenena rehetra, raha vao hafa firenena ianao dia mandoa vola ambonin’ny tompo-tany, ka raha Birr 1 no alohan’ny tompo-tany, dia Birr 30 kosa no alohan’ny vahiny. Matetika anefa tamin’ireny famangiana ireny no mandoa mitovy amin’ny tompotany ny tenanay satria tsy fantany fa vahiny. Efa miresaka museum ihany, dia tsar any manamarika fa aa amin’ny National Museum ao Addis no ahitana ilay taolam-balo izay efa lasa fossil an’ilay olombelona voalohany teto ambonin’ny tany, araka ny filazan’ny siansa antsoiny hoe “Lucy” izay niaina tany amin’ny 3 million taona taloha tany.
Lafiny kolontsaina: isan’ny firenena fatra-pandala ny fomban-drazana I Ethiopia, na sakafo izany, na dihy, na hira… Antsoina hoe “injera” ny foto-tsakafon-dry zareo, karazana mofo mitapelapelaka ary mihorongorona izay, toy ireny mof tapotsatroka any amintsika ireny. Vitany amin’ny voan-javatra madinika dia madinika izay ilay izy, totoina ary atao karazan’izay mofo izay, dia aroso miaraka amin’ny saosy isan-karazany. Na dia mipetraka any amin’ny toeran-kafa izy ireo, dia mbol io ihany no sakafony saingy ovainy ho vary kosa no hanamboarana ilay izy. Raha ao Addis manokana dia mameno tanàna ny traditional restaurants, ary toy ny tsy nandalo tany Ethiopia ianao raha tsy nahita izany hoe dihy Ethiopiana izay, toy ny tsy nandalo tany ianao raha tsy nahitaizany hoe coffee ceremony zany.
Izany sy izany no harena miafina eto Afrika, notsongaiko avy tao Ethiopia, tsy lavitra antsika nefa tsy fantatsika. Manaitra tokoa ny avy any amin’ny firenena hafa, fa manana ny maha izy azy koa I Afrika. Ny Eoropeana sy ny firenena tandrefana no mihazakazaka mijery izany harena misy aty Afrika izany. Matetika tamin’ireo toerana maro notsidihinay, dia vazaha no tafara-dalana taminay tany. Toa tsy manaitra antsika ny harena misy eto Afrika. Aza varimbrian’ny lavitra ary, fa andeha hozahantsika sy hankafizintsika ity kontinanta afrika ity, raha misy ny fahafahana manao izany, mba tsy ho tompon-trano mihono isika.
Ny sary miseho eto dia nalaina tany amin'ny Restaurant iray mampiseho ny toerana fanaovana Coffee ceremony.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb